<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>256</hymn_number>
<title>Mivoaka ao Golgota FFPM256</title>
<lyrics>[V1]
 Mivoaka ao Golgota
 Ilay renirano soa
 Iantsoana ny mpanota
 Ho any avokoa ;
 Ny ratran'ny Mpamonjy
 No loharanon'io,
 Ka ony mahavonjy
 Sy tena mahadio.

[V2]
 Mamelona ny tany
 Ity ony soa ity,
 Izay rehetra ombany
 Miadana erý,
 Vahoaka an-tapitrisa
 Izay misotro ao,
 Mahita Paradisa
 Sy fiainana vaovao.

[V3]
 Ny fo izay maratra
 Ka entina mankeo
 Ny ory sy mahantra
 Izay manatona eo,
 Mahita fanafody,
 Ka sitrana avokoa,
 Ny ota sy ny rofy
 Dia afaka tokoa.

[V4]
 Fanahy be ahina,
 Avia misotro ao,
 Fa io no mampangina
 Ny alahelonao ;
 Fanahy ô, hatony
 Ity ony soa ity,
 Fa io no mahatòny
 Ny fanirianao atý.

[V5]
 Hianao, ry Tompon'aina !
 Isaoranay tokoa,
 Nanaiky horatraina
 Handefa ony soa,
 Ny ranao tao Golgota
 No iankinanay,
 Fa mahadio ny ota,
 Mamelona aina anay.</lyrics>
</song>